PGE-Harena an-kibon’ny tany : orinasa roa lehibe vinavinaina hisokatra amin’ity taona ity

Nanazava ny Fandaharanasa ankapobeny ny fanjakana (PGE), teny amin’ny Antenimiera roa tonta, ny herinandro lasa teo. Anisan’ny navoitrany fa hisy tetikasa roa lehibe mikasika ny harena an-kibon’ny tany amin’ity taona ity, ary manodidina ny 20 ato anatin’ny 5 taona ho avy.

Anisan’ny vinan’ny fanjakana hivoaka ato anatin’ny tanjona 100 andro ny didy fampiharana ny sata vaovaon’ny harena an-kibon’ny tany. Hifantohana koa ny sata hifehy ny Biraon’ny jeolojia sy ny vatosoa eto Mada­gasikara (BGGM) sy ny Labo­aratoaran’ny harena an-kibon’ny tany (LMM). Eo koa ny hikarakaran’ny Biraon’ny ka­dasitra amin’ny harena an-kibon’ny tany (BCMM), ny fangatahana ny fahazoan-dalana.
Voaresaka nandritra ny fihaonan’ny mpikambana ao amin’ny governemanta sy ny loholona ihany koa ny mikasika ny orinasa Base Toliara. Nanontany ireo loholona ny antony tsy mbola hanokafana indray ity orinasa ity, izay hiteraka asa mivantana sy tsy mivantana anarivony ho an’ny tanora sy ny mponina. Maro ny fiantraikany amin’ny toekarena, toy ny fanorenan-trano sy ny asa vaventy (BTP), ny fitaterana, ny fanofana fiara, ny varotra, ny fanjairana akanjo, ny fisakafoana sy ny fampiantranoana, sns. Efa hita izany nandritra ny fanorenana nataon’ity orinasa ity tany am-piandohany.
Hafainganina ny hanokafana ny Base Toliara
Tsy afaka misokatra ny Base Toliara tato anatin’ny dimy taona izao. Nam­paha­tsihivin’ny loholona Tsiebo Mahaleo, fa vitsy ny olona manohitra ity tetikasa ity, miohatra amin’ny manohana. Na­namafy ny senatera Rabema­nanjara Nicolas, fa mila hifantohana haingana ny hanokafana azy indray.
Namaly avy hatrany ny minisitry ny Harena ny kibon’ ny tany, Rakotomalala Olivier, fa efa nisy ny fifampidinihana amin’ny tomponandraikitry ny Base Toliara. Eto Mada­gasi­kara izy ireo ankehitriny, ary eo am-pikarakarana ny hanokafana azy indray.
Anisan’ny noresahin’ny Orinasa ara-bola iraisam-pirenena SFI, rantsana ao amin’ny Banky iraisam-pirenena tamin’ny minisitry ny Toe­karena sy ny tetibola ny raharaha Base Toliara tamin’ny avrily 2023. Efa nilaza matetika ny lanjan’ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany indostrialy ny Banky iraisam-pirenena. Tokony hampiakatra 5,1% ny fitomboan-karena ao amin’ny sokajy faharoa (ao anatiny ny harena an-kibon’ny tany), amin’ity taona 2024 ity.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: