INDRAY MIJERY

Nampiomana ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby, fa ahina ny fiforonana rivodoza ao amin’ny ranomasimbe Indianina any amin’ny faran’ny herinandro. Hitoetra ny volonandro fahavaratra saika manerana ny Nosy, ho an’ny roa andro voalohany. Hikisaka any amin’ny tapany avaratry ny Nosy kosa izany manomboka rahampitso.
Efa nivoaka ny tetiandro fandraisana fisotroan-dronono ho an’ireo zokiolona. Anjaran’ny laharana miafara amin’ny 0 hatramin’ny 2 no mandray izany ny zoma izao. Ny miafara amin’ny 3 hatramin’ny 5 kosa no mahazo, ny alatsinainy 12 febroary. Mitohy ho an’ny laharana miafara amin’ny 6 hatramin’ny 9, ny talata. Mamarana azy kosa ny A, B, C, D, E ny alarobia 15 febroary.
Nidina ifotony teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny minisitra maromaro, notarihin’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Fametrahana ireo fepetra sakana hisorohana ny fidiran’ny valanaretina choléra eto amintsika no anton’izao hetsika izao. Nampitaina tamin’ ireo tomponandraikitra samihafa eo anivon’ny seranam-piaramanidina ireo toromarika rehetra ka vonona izy ireo amin’ny fampiharana.
Nandray ny Mpampianatra mpanabe ho amin’ ny fanovana (MMF) ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena. Amin’ny maha sendikàn’ny mpampianatra, mika­tsaka ny hanatsarana ny tontolon’ny fanabeazana eto Madagasikara izy ireo ka nanolotra ny laminasa sy ny vinavinan’asa entina hanampiana ny ara-teknika sy ny ara-pedagojia.

Partager sur: