Tsy andro tsy alina fa saika manemitra ny lalana rehetra hatreny amin’ny lalam-pasika sy elakela-trano manerana ny fokontany maro eto an-drenivohitr’ i Toamasina ny polisy. Ho fanatrarana ny hetsika 100 andron’ny fandriampahalemana ny anton’izany, izay tarihan’ny kaomisera Rafaliarivo Jules. Araka ny baikon’ny talem-paritry ny filaminana anatiny, ny kaomisera Rakotovao Jean Christian izao hetsika izao. Mandritra ity hetsika ataon’ny Fip Toamasina ity, misy ny fisavana ireo moto, izay anisan’ny karazam-pitaovana fampiasan’ ireo jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana. Anisan’ny savaina amin’izany ny taratasy momba ilay moto sao misy halatra. Vokany, moto an-jatony no voasava sy voaara-maso. Nisy tsy ara-dalàna ny taratasiny toy ny tsy fandoavana ny fiantohana, eo koa ireo tsy manao aroloha.
Ankoatra izay, ny alin’ny zoma teo, ankizy tsy ampy taona ampolony maro saron’ny polisy tao amin’ny trano fisotroana malaza iray eo akaikin’ny hopitaly manara-penitra mifanila amin’ny tobin’ny zandary Salazamay.
Sajo