“Fotoana izao hakana ny toeran’ny lehiben’ny mpanohitra”, hoy ny mpikamban’ny biraon’ny antoko Humaniste et écologiste, Ralambomahay Toavina, manoloana toe-draharaham-pirenena. Izay no hahazoana mihaona sy miresaka mivantana amin’ny filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra, hahazoana miditra amin’ny haino aman-jerim-panjakana, ny RNM sy ny TVM. Tena marefo ny mpanohitra, raha vao tsy miady sy maka an’izay indray. Raha mbola tsy manaiky ny hakan’ny mpanohitra an’izay koa ny mpitondra amin’izao, hitan’ny sehatra iraisam-pirenena hoe tsy manaiky fanoherana.
“Amin’ny hoe fifidianana demokratika, azo itokiana, mangarahara ary fantatry ny rehetra, tsy rariny raha ny mpitondra irery no mahafantatra hoe: rahoviana ny fifidianana?”, hoy kosa izy momba ny fifidianana kaominaly. Tokony hahafantatra ny datim-pifidianana avokoa ny rehetra. Amin’izay, mitovy ny fe-potoana iomanana fa tsy hoe manana tombondahiny ny mpitondra. Mikorontana ny lafiny lalàna ny amin’izay fifidianana izay. Misy, ohatra, milaza hoe ny ben’ny Tanàna lefitra no miakatra. Faharoa, misy ny hoe mpiasam-panjakana telo ao anatin’ny fiadidiana ny Tanàna no miakatra misolo toerana ny ben’ny Tanàna, na olona telo hafa. Mamoaka indray izao ny HCC hoe mitohy fotsiny ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina. Hevitra izay fa tsy lalàna. Nefa didy na lalàna no tokony ho izy.
R. Nd.




