Namoy ny ainy voatifitry ny Tafika nanara-dia ny iray tamin’ireo dahalo 15 nanafika tao amin’ny tanànan’i Berano-ville, distrikan’Amboasary Atsimo, faritra Anosy, afakomaly. Nalain’ireo dahalo nitam-piadiana an-keriny ny omby 37 tao amin’io tanàna io. Niray hina ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana ka nanao ny fanarahan-dia. Naharay fampandrenesana rahateo ny Tafika tao Amparanala mihazo ny kaominina Behara mba hanao fanakanan-dalana ireo dahalo. Vokany, tafalatsaka afovoany ireo mpangalatr’omby. Raikitra ny fifandonana, ny talata 6 febroary tamin’ny 5 ora maraina. Lavo ny iray tamin’ireo dahalo. Latsaka ny omby 37 nangalarin’izy ireo. Nandositra avokoa ireo namany.
Tsiferana R.