TSELATRA

Lehilahy iray hita faty tsy nisy voamaso tao Antanimieva, distrikan’i Morombe, omaly. Niharan’ny vono nataon’ny mpangala-boamaso io raim-pianaka­viana io. Mpandalo no nahatsikaritra ny vatana manga­tsiakany ka nampandre ny manodidina. Manao ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana ao an-toerana.

Tanora dimy lahy mpikambana anaty fikambanana mpanakorotana naiditra am-ponja ao Antsiranana, afakomaly. Ivondronan’ireo ankizilahy tsy ampy taona ny fikambanana Texas sy ny Londre naorin’izy dimy lahy ireto. Mitora-bato sy manafika ireo tanora sasantsasany eny amin’ny fokontany hafa izy ireo.

Naiditra am-ponja ny mpivady, ray aman-
drenin’ilay zaza voalaza fa lanin’ny voalavo, tao Am­pa­tana Atsinanana, Antsirabe, ny alatsinainy teo. Voama­rina fa novonoin’izy mivady ilay zanany. Navadiny ho lanin’ny voalavo izany rehefa nanontanian’ny manodidina izy ireo.

Kamiao mpitatitra solika an’ny Jirama nivadika tao Ambodiriana, Brickaville, afakomaly alina tamin’ny 8 ora. Nisedra lalan-dratsy, nivadika tampoka io kamiao nikasa hihazo ny Renivohitra io. Tapaka ny fifamoivoi­zana nanomboka ny alin’ny talata 6 febroary hatramin’ny tolakandron’ny alarobia 7 febroary teo ho an’ireo fiara lehibe. Afa-nifamezivezy kosa ny fiara tsotra.

Partager sur: