TARATRY ny KANTO

Daniel Ramoroson Trio, etsy amin’ny No Comment Bar. Hitondra ny hira vokatry ny tany, misy fototra nentim-paharazana indray ry Radany Marovany sy ny ekipany, anio manomboka amin’ny 8 ora alina, eny Isoraka. Marivany, gitara ary amponga no hanaraka ireo hira nosafidina handrotsy sy hanainga ny fanahin’ireo ho avy hianoka izany fiarahana izany.

Anisan’ny nameno ny fandaharam-potoa­nan’ny IFM Analakely, omaly, ny hetsika “Carte poétique”, karakarain’ny sampana “Médiathèque”, eo anivon’ny IFM, niaraka tamin’ny ekipan’ny AVS. Hetsika izay miendrika kilalao sady fanabeazana ho an’ny ankizy. Ny rehetra no asain’ny mpikarakara amin’ny hetsika sahala amin’izao.

Misokatra ho an’ny tanora sy ny olon-dehibe, ny atrikasa sy fampiofanana mahakasika ny Teatra, karakarain’ny Compagnie Miangaly Theatre. Eny amin’ ny Aft Andavamamba no hanatanterahina ny hetsika, manomboka ny volana marsa 2024. Marihina fa efa nisy ny toa izao, natokana ho an’ny ankizy.

Mbola manana 19 andro ireo maniry handray anjara amin’ny fifaninanana “Prix Paritana 2024”. Izy ity izay fifaninanana misokatra ho an’ny Malagasy sy monina eto Madagasikara mpahay kanto, karakarain’ ny Fondation H. Ankoatra ny amboara azon’ny mpandresy, hisy ny tohana maro samihafa ho azon’izy ireo.

Partager sur: