Miroso amin’ny asa fanapenana ny lalana feno lavadavaka eto Antananarivo indray ny faritra Analamanga taorian’ny fanadiovana ny fako tetsy Anosimpatrana. Niteraka fahasimban’ny lalana ny firotsahan’ny orana matetika ka ilana fanarenana haingana izany mba tsy hiitatra. Nanomboka tamin’ny lalana etsy Ampasika 67 ha izy ireo, omaly ary mitohy hatreny Andavamamba.
Anaovan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ezaka ny fanentanana ny lehilahy hanohana ny vadiny amin’ny fampiasana ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana. Mila ny fampaherezana avy amin’ny vadiny ny reny amin’ny fampiasana ireo fomba fanabeazana aizana mba hazoto sy tsy hanadino izany.
Nisy atrikasa fanavaozana ny torolalana momba ny fitarihan-dalana an-tsekoly sy arakasa, eo anivon’ny kolejy sy ny lisea, natao tao Antsirabe izay naharitra hadimiana. Tanjona ny hananana tahirin-kevitra ahafahan’ireo mpampianatra sy ny mpanolotsaina manatanteraka ny fanabeazana eny ifotony. Manohana ny tetikasa ny masoivoho frantsay.
Nanambara ny foibe famantarana ny toetry ny andro fa mbola nahazo orana tandrifin-drahona malefaka, halina, Analamanga sy Betsiboka. Nanoram-baratra ny faritra sisa. Nampahatsiahy ireo fepetra tokony harahina mandritra ny fahazoana filazana loza manambana ny BNGRC omaly ho fiomanana sahady.