SOMBIM-BAOVAO

1 067 ny isa azon-dRasoanaivo Razafy Laura, hatramin’izao, taorian’ny “Grand Slam de Paris”, judo, natrehiny farany teo. Mbola tsara toerana izy, ao ana­tin’ny fifanintsanana amin’ny “lalao Olympika”, na dia teo aza ny fahareseny ary mbola ao anatin’ny fanomanana tanteraka.

Nahatontosa lalao fifaninanana basikety lalao­vin’olona telo, eo amin’ny sokajy zazavavy latsaky ny 23 taona ihany koa, ny ligim-paritra Atsimo Atsina­nana.Voahosotra ho tompondaka tamin’izany ny ekipan’ ny HNCS. Izy ireo, araka izany, no hisolotena ny faritra amin’ny fifaninanana nasionaly.

Noraisin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Tanora
sy ny fanatanjahantena ny Federasiona malagasin’ny jiu-jitsu, ny talata lasa teo. Vonona ny hanohana sy hifanampy mba hampiroboroboana ity taranja ity ny MJS, raha ny fifampiresahana nataon’ny roa tonta.

Hotanterahina ny 17 febroary izao, ny fifanina­nana “Tournoi Jeunes U14”, taranja volley-ball. Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo klioba manana ekipa latsaky ny 14 taona, sokajy lahy sy vavy. Eny
amin’ny Saint Michel Amparibe no hanaovana ny fifaninanana.

Partager sur: