TSELATRA

Jiolahy iray voasambotry ny polisin’ny Sag sy ny CSP5 Mahamasina teny Anosy, afakomaly. Nanao ny asa fisafoana sy fitandroana ny filaminana teny amin’iny faritra iny toy ny fanaony ny polisin’ny Sag ka nahita jiolahy hafahafa fihetsika. Niroso tamin’ny fisamborana azy avy hatrany ny polisy. Nandositra anefa izy ka raikitra teo ny fifanenjehana saingy tsy lasa lavitra dia tratra. Mitohy ny famotorana ataon’ny polisy azy.

Olona roa (vehivavy ny iray) no tratran’ny polisy avy ao amin’ny sampandraharaha miady amin’ny
fiparitahan’ny zava-mahadomelina teny Itaosy sy Tanjombato, afakomaly. Nahatrarana fonosan-drongony marobe teny amin’izy ireo. Nilaza ireto mpanao trafikana zava-mahadomelina ireto fa 50 000Ar ny hividianan’izy ireo ny iray selofanina ka amidy 60 000Ar izany. Naiditra am-ponja omaly, eny Antanimora, ireto farany.
Tratran’ny zandary teny Ambohidratrimo, afakomaly, ireo jiolahy tompon’antoka tamina halatra fiara teny Ivato. Niantsona teo amin’ny tobin-tsolika iray eny Ivato ity fiara ity, nanjavona tampoka teo. Sarona tao anaty vela-pandrika tao Ampanotokana Ambohidratrimo ry zalahy fotoana fohy taorian’ny nitondrany ny fiara. Nokasaina hafenina ilay fiara tamin’ny fotoana nahatongavan’ny zandary.

Partager sur: