Minisitra Andriantsitohaina Naina : «Tanjona ny hahatokisan’ny vahoaka ny fanjakana mpitantana »

Minisitera mitondra fanovana lehibe amin’ny fomba fiasa ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany. Maro ny vinan’asa, misy ny paikady hanatrarana izany.

Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety, teny amin’ny biraon’ny « Fonds de développement locale » (FDL) Anosy, omaly, ny minisitry ny Fitsin­jaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina. Anisan’ny nasongadiny, nandritra izany, ny vinan’asan’ny minisitera. Samy voakasika avokoa ny lafiny fananan-tany sy ny fitsinjaram-pahefana. Nifampizarany ihany koa ny fanatanterahana izany. « Miasa haingana sy tsara, ao anatin’ny mangarahara isika », hoy ny minisitra. Misy ireo lahasa, izay sokajin’ny eo anivon’ny minisitera ho laharam-pahamehana. Ankoatra ny fanatontosana ny baikon’ny filohan’ny Repoblika momba ny fananantany sy ny fitsinjaram-pahefana.

Manakaiky vahoaka

Ho an’ny lafiny fananantany manokana, misy ny fampandehanana sy fitantanan-draharaha ao anatin’ny mangarahara sy manakaiky vahoaka. Anisan’ ny paikady ampiasain’ny minisitera amin’izany ny “Plan local d’occupation foncière” (PLOF). Efa mihatra amina kaominina 700 izy io. Mbola hitarina amin’ny kaominina rehetra manerana ny Nosy. Tanjona ny hanamora ny fahazoan’ny vahoaka tany. Toraka izany ny fikarakarana ny taratasy. Hatao laharam-pahamehana anefa ny taratasy fangatahana tany teo aloha. “Hisy ny fampiatoana ny fangatahana vaovao ato anatin’ny 3 volana”, araka ny nambaran’ny minisitra, Andriantsito­haina Naina, hatrany.
Fanofanana

Mahakasika ny fitsinjaram-pahefana, sokajin’ny minisitera ho laharam-pahamehana ny fanofanana sy fampianarana ary fiarovana ny ben’ny Tanàna. Ao anatin’izany ny fampitomboana ny fa­haiza-manaon’ireo olom-boafidy ireo. Tanjona ny hisian’ny fampandrosoana marina eo amin’ny toerana iadidiny.
Nitondra fanazavana momba ny fanapahan-kevitry ny fanjakana, mahakasika ny ben’ny Tanàna, izay efa lany fe-potoam-piasana ihany koa ny minisitra, Andriantsitohaina Naina. Nambarany fa mbola manohy ny andraikitra maha ben’ny Tanàna azy izy ireo. Mandrapahatongan’ny ben’ny Tanàna voafidim-bahoaka izany, araka ny voalazan’ny didim-panjakana nivoaka tamin’ny talata lasa teo.

Lin

Partager sur: