FANTINA sy FINTINA

Hitsidika ny distrikan’i Moramanga, faritra Alaotra Mangoro, ny filoha Rajoelina, anio. Hoto­kanana amin’izany ny Sekoly ambaratonga fototra faharoa, ny ivontoerana ho an’ny olona manana fahasembanana sy ny zokiolona, ny tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina, ny kianja manara-penitra, ny tetezana Mangoro izay vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny governemanta japoney.

Tsy hisokatra ny fitsarana, Anosy, anio. Antony ny fambolen-kazo hataon’ny fianakaviamben’ny fitsarana eny Tsiafahy. Tsy hiasa koa ny firaketan-draharaha eo anivon’ny fitsaranara ary tsy hisy ny fotoam-pitsarana.

Araka ny fandaharam-potoanan’ny Antenimierampirenena, anio zoma 09 febroary 2024, amin’ny 11 ora atoandro, no mifarana ny fivoriana tsy ara-potoana voalohany tamin’ity taona ity. Hatao ao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza izany, izay tarihin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine.

Partager sur: