Tselonina sy Fara Gloum – Piment Café. Fotoana handrasan’ireo mpankafy hatrany ny fiarahan’ireto mpanakanto ireto, ao amin’ity toerana ity. Hotontosaina anio izany, manomboka amin’ny 9 ora alina. Hamerina indray ireo hiran’ny taona 80 sy 90, nahafantarana an’Ingahibe, izay mbola matsiro kokoa miaraka amin’i Fara Gloum izy ireo.
Njara Marcel-Le Glacier. Nahazo ny amboara tao amin’ny sokajy “Pop ballade” tamin’ny “RDJ Mozika” i Njara Marcel. Ho fankasitrahana ireo mpankafy, hisy ny fiarahana anio, manomboka amin’ny 9 ora alina, etsy amin’ny Le Glacier Analakely. Tafiditra anatin’ ny “Hiafiako Tour” hatrany ny seho.
Hivoaka amin’ny ampahany ny boky « Valihan’Ikaky ». Anisan’ny nampitombo be ny vidin’ity boky ity ny fananany pejy maro. Noho izany, nahena ka nozaraina fito ny boky « Valihan’Ikaky » ». Ho setrin’izay, hidina ny vidiny, fa hifampitohy kosa ny zava-boalazany sy ny fampianarana voarakitra ao anatiny. Marihina fa anisan’ny mampiavaka ity boky ity ny fisian’ny fahalalana tranainy momba ny valiha voarakitra ao anatiny.
Fampirantiana hanehoana ny lalana sy hampisehoana ny maha kanto izany, indrindra ny misy eto Antananarivo, no asehon’i Miora Acker, Malagasy mpanao sary, ao amin’ny Is’art Galerie Ampasanimalo, manomboka ny 22 febroary 2024. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny fampisehoana ny endrik’izany lalana izany, ao anatin’ny kanto.