Ain-dehibe ho an’ny firenena ny tanjaky ny vola sy ny toekarena ananany. Singa iray ao anatin’ny fampandrosoana ny toekarena ny tontolon’ny fandraharahana, indrindra ny fanondranana entana any ivelany sy ny famerenam-bola azo avy amin’izany (rapatriement des devises). Mbola ambany anefa io taha io raha ho an’i Madagasikara, anisan’ny antony mampitontongana ny sandam-bola malagasy. Manampy izany ny fitomboan’ny fanafarana entana avy any ivelany, indrindra mandritra ny vanim-potoanan’ ny fety sy ny vidim-piainana andavanandro. Ny talata 9 janoary teo, misanda 4 991,98 Ar ny euro iray, araka ny tatitra navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Nambarany fa nisanda 4 873,67Ar ny euro, omaly. Noho izany, tanjona apetraky ny fanjakana ny hampakarana ny tahan’ny famerenam-bola avy any ivelany ho 86% ao anatin’ny 100 andro. Ho arahi-maso manokana ny fivoaham-bola mankany ivelany, amin’ny alalan’ny fifehezana ny fanafarana entana sy ny fandefasana vola vahiny eo anivon’ny tsenan’ny fifanakalozam-bola (MID) ho an’ireo orinasa voakasik’izany. Misy ny orinasa manana fahazoan-dalana hisehatra amin’ny afaka haba no lasa manafatra vary. Izy ireo izay tsy voakasiky ny fepetra eo anivon’ny tsenan’ny fifanakalozam-bola (MID). Noho izany, hampiakarina ny tahan’ny fandefasana vola ao anatin’ny MID (taux de cessions de devises sur le MID) ho 76%.
Henintsoa H.