Filoha Rajoelina Andry : “Mandroso isika, vita ny fotodrafitrasa”

Nitokana fotodrafitrasa maromaro tany Moramanga ny filoha, Rajoelina Andry, omaly. Nambarany fa vonona hampandroso ny firenena ny tenany.

Notsiahiviny fa anisan’ny nahazoany fandresena amin’ny taha 70% tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny tany an-toerana. Nankasitrahany ny vahoaka tamin’izany ary nambarany fa nankinina tamin’Andriamanitra iny fifidianana iny. Tanteraka izany rehefa nankinina taminy ny fifidianana, araka ny nolazainy hatrany. “Mbola sitrak’ Andriamanitra ny hanohizana ny fanasoavana ny vahoaka sy ny fanoloran-tena hanavotra ny firenena”, hoy izy. Nanteriny fa hanavao sy hanorina ny fitondrana tarihiny ka izao nahavitana fotodrafitrasa samihafa notokanana izao. “Mandroso isika amin’ny fahavitan’ny fotodrafitrasa. Mendrika izany ny aty Mo­ramanga”, hoy izy. Miasa hatrany isika ary mifampatoky. Mpitolona sady tia tanindrazana ny filoha ary vonona ho amin’ny fampandrosoana, ara­ka ny nambarany. “Mbola hiverina aty izahay amin’ny 29 marsa ary mbola hitokana fotodrafitrasa maro indray amin’izany”, hoy ihany izy.

Fitsinjovana ireo sokajin’olona rehetra…
Natsidiny fa hafaliana no hiarahana ao anatin’ny 5 taona hoavy ary hitsinjovana ny sokajin’olona rehetra, toy ny zokiolona. Eo koa ny vehivavy mananon-tena, ireo fikambanam-behivavy mba hahaleo tena. Tsy hadino koa ny tantsaha. Antony nanovana ny anaran’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina izany.
Nitodihany manokana ny momba ireo tanora ka hampiofanana azy ireo any Dubai ary hotolorana fitaovana, aorian’izany.
Nitohy tamin’ny fanombohana ny fizarana jiro ho an’ny isan-tokantrano izany ho taratry ny fahazavana any Mo­ra­manga sy ny firenena manontolo ary ho amin’ny fampandrosoana.

Synèse R.

Partager sur: