“Ny hita sy tsapa dia mihamahery vaika hatrany ny fivoaran’ny tsy fandriampahalemana. Mirongatra ny fakana takalon’aina. Eo koa ny fanapahan-doha. Fanapahan-tanana indray aza amin’izao fotoana izao, ary amoizana aina izany”, hoy ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, namarana ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Antenimierampirenena, teny Tsimbazaza, omaly. Eo ny fikaikaikan’ny olona amin’ny vidim-piainana tsy mitsaha-miakatra. Tsy tokony hikombona ny mpitondra fanjakana mahefa amin’ny fitadiavam-bahaolana amin’izay fahasarotana izay. Mila henoina avokoa izay afaka manolo-kevitra tsara hahatongavana any amin’ny tanjona. Eo ny mpahay hary, ny vondron’ny mpandraharaha… Ny hevitry ny maro mahataka-davitra.
“Tena mila fanasitranana ny firenentsika izay iaraha-manana, ka samy tomponandraikitra isika rehetra”, hoy izy. Aoka hohalavirina ny fisaraham-bazana, fa ny fampiraisana no tiana sy ankasitrahan’ny Malagasy. Tsy misy mahazo tombontsoa amin’ny fampiasan-kery na amin’ny endrika inona na inona. Fitoniana no tokony himasoan’ny rehetra. Sehatra azo ifanatonana tsara sy ifanakalozan-kevitra mba ho fanajana ny fenitra demokratika ny Antenimierampirenena.
Lany tamin’iny fivoriana tsy ara-potoana iny ny volavolam-panitsiana ny lalàna famaizana ho an’ny mpanolana zaza tsy ampy taona sy ny volavolan-dalàna fanitsiana ny momba ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana. Teo koa ny fanoloran’ny Praiminisitra ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE).
R. Nd.




