Vonona hanome tanana ny Antenimierandoholona, noho ny tanindrazana, araka ny lahatenin’ny filohany, ny Jly Ravalomanana Richard, omaly, nandritra ny fotoam-pamaranana ny fivoriana teny Anosikely. Notakiny ny hamoahana ny didy fampiharana ireo lalàna nolaniana.
Nanambara ny mpisolovava Rafidison Eric, fa nahazo alalana hivoaka ny fonja telo andro, ny taona 2022, Rajaonah Mbola noho ny raharaham-pianakaviana. Nahazo fahazoan-dalana avy amin’ny fonja izy nefa nambara ho fitsoahana izany, araka ny nambarany.
Hamatsy vola 5 tapitrisa euros ny minisiteran’ny Fitsarana ny AFD. Nivoitra tamin’ny fihaonan’ny minisitra, Randriamanantenasoa Landy, sy ny tale , i Yves Guiquero, omaly, izany. Natokana ho amin’ny fitsarana tsy mitanila sy tsara tantana ary manakaiky vahoaka ao anatin’ny tany tan-dalàna ny fanampiana.
Nanentana ny olom-pirenena ny FFKM mba hanamarina ny anarany anaty lisi-pifidianana na koa hisoratra amin’izany ireo feno taona. Hifarana ny 15 febroary izao ny fanavaozana ny lisitra. Nentaniny hiomana koa ireo ho kandidà ary tokony havitrika hifidy ny rehetra.