“Zava-dehibe ny fametrahana politika sahy sy mazava ary hentitra ho an’ny fampandrosoana ary hitondrana fanavaozana ho an’ny firenena”, hoy ny filoha nasionalin’ ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, omaly teny Ankatso. Namelabelatra tamin’ireo mpianatra sosiolojia, taona fahatelo ny lohahevitra «Ny olana eo amin’ny rafitra politika sy ny fampandrosoana eto Madagasikara”, ny tenany tamin’ izany. Nanteriny fa olana koa ny rafi-panjakana. Tsy voahaja izany ary zary resabe fotsiny ny fitsinjaram-pahefana. Tena vahaolana anefa izany ho an’ny antoko Malagasy miara-miainga. “Resy lahatra izahay fa vahaolana ho amin’ny fampandroana ny fametrahana izany”, hoy ihany izy. Noraisiny ho ohatra amin’izany fa tsy vitan’ ny fanomezana vola ny kaominina sy faritra fotsiny izany. Fomba fisainana mihitsy ilay fitsinjaram-pahefana, araka ny nambarany. Tendrena ny minisitra ka omena andraikitra mifanaraka amin’ izany izy. Tahaka izany koa ireo tale sy tompon’andraikitra isan-tokony.
Fampirisihana ireo mpianatra…
Nambarany fa tanjona ho an’ny fizarana tahaka izao ny fanampiana ireo mpianatra hahafantatra bebe kokoa ny tontolo politika. “Fampirisihana azy ireo koa handray anjara amin’izany amin’ny ho avy”, hoy ny filoha nasionalin’ny MMM.
Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianaran’ireo mpianatra ny fifampizarana sy ny fihaonana amin’ny mpisehatra ara-politika tahaka izao ho fanomanana sy fanamafisana ny fahalalana ho azy ireo
amin’ny tontolon’ny politika ankapobeny. Nanamafy izany ny solontenan’ny mpianatra, Rafitoarivo Harimanana. Notsiahiviny fa nandalo dingana politika sy efa nitana andraikitra maro teto amin’ny firenena Andrianainarivelo Hajo. “Mahalala ny resaka politika sy ny fampandrosoana ka antony nifidianana azy hamelabelatra taminay izany. Hametrahana amin’ ny sain’ny mpinantra fa ilaina ny politika sy ny tontolo manodidina izany ary koa ny vahaolana raisina manoloana ny zava-misy ara-politika”, hoy izy.
Synèse R.