Fampandrosoana : manampy ny tantsaha ny Zazamanga

Nambaran’ny filohan’ny fikambanana Hasin’ny Zaza­manga, Rakotondravao Sarobidy, fa misehatra amin’ny tontolo ambanivohitra sy eny an-drenivohitra izy ireo. “Betsaka ny dingana efa natao fa tanjona ny hivoaran’ireo mponina mba ho afaka hamokatra sy hahavelona ny tenany, amin’ny alalan’ ny fambolena sy fiompiana”, hoy izy. Anisan’ny misitraka izany ny kaominin’Ambato, distrikan’Ambohidratrimo. Nanampy ny tantsaha amin’ny lafiny teknika eo amin’ny fambolena izy ireo. Eo koa ny fanofanana eny anivon’ny fokontany, hampitomboana ny vokatra.
Tsy mijanona eo anefa fa manampy eo amin’ny lafiny fialamboly sy fanatanjahantena, amin’ny fifaninanana baolina kitra isam-pokontany, izy ireo. Eo koa ny fitaizana ireo vehivavy tanora amin’ny alalan’ny vakodrazana. Nahavita namboly hazo miisa 3 000 ny fikambanana tamin’izao fiandohan’ny taona izao.
“Ilaina ny fidinana ifotony ahafahana mihaino ny raiamandreny… Anton’ny fitetezana fokontany izany, ahafahana mitsabo ny marary azy ireo”, hoy ihany ny filohan’ny fikambanana.

Synèse R.

Partager sur: