Olan’ny Antenimierandoholona : nanolo-kevitra ny minisitry ny Fitantanam-bola

“Rehefa nisy ny fangatahana vola fanampiana, matetika ny hanaovana fandaminana anatiny no soso-kevitra arosonay. Ny vola efa ao anatiny ihany no halamina amin’ ny tsy fahampian’ny vola eo an-tanana : kaonty atsy, afindra aroa”, hoy ny minisitry ny Toakerana sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Taorian’ny fifampiresahana tamin’ireo mpiasa eo anivon’ny Antenimieran­do­holona, naharay fangatahana vaovao ny eo anivon’ny minisitera. Fangatahana voalohany amin’izany ny hisintonan’ny minisitera ny vola ambiny rehetra ao amin’ny Antenimierandoholona. Koa rehefa tonga any amin’ny minisitera ny vola handoavana ny karaman’ireo mpiasa. Mila fotoana be anefa izany. Mbola mandalo didim-panjakana amin’ny filankevitry ny go­ver­nemanta ny famindrana vola, araka ny fanazavany.

Azo atao mivantana izany amin’ny alalan’ny fandaminana anatiny eo anivon’ny Antenimierandoholona izany ary azo atao ny mandoa ny ka­ra­ma novambra 2022. Ny fangatahana faharoa ho an’ny karama volana desambra 2022, mbola fangatahana f­a­nampim-bola vaovao indray.

R. Nd.

Partager sur: