Lalao « Visa New York »: nankasitraka ny mpanjifany ny MCB Madagascar

Nikarakara lalao “Visa New York” ny MCB Madagsacar, ny 20 novambra 2023 hatramin’ny 20 janoary 2024 lasa teo. Hetsika hanentanana ny mpanjifany hampiasa ny carte Visa MCB. Nisitraka tapakila fandraisana anjara amin’ny lalao avy hatrany ireo mpanjifa rehetra nampiasa vola manomboka
amin’ny 100 000 Ar amin’ny alalan’ny carte visa. Mpikarakara lalao toy izao hatramin’ny taona 2018 ny MCB Madagascar, hankasitrahana ny mpanjifany amin’ny alalan’ny fanomezana loka maro samihafa, toy ny fitsangantsanganana any ivelany sy fanomezana lelavola. Loka goavana tamin’ity taona ity ny fivahinianana ho an’olon’efatra any New York, mandritra ny dimy andro, izay hiantohan’ny banky avokoa ny momba azy ireo. Natao ny alatsinainy 05 febroary teo ny fisarihana. Nahazo ny loka voalohany tamin’izany Ravoajanahary, vehivavy mpanji­fan’ny MCB eny Ambohibao. Nahazo ny loka faharoa kosa i Cassim, mpanjifa ny masoivohon’ny banky ao Toamasina, ary Aramad, mpanjifa ao amin’ny masoivoho Nosy Be ny fahatelo. Samy nahazo lelavola mitentina 12 tapitrisa Ar avy izy ireo.

Henintsoa H.

Partager sur: