Manomboka manao sidina anatiny ny Madagascar Airlines hatramin’ny 15 avrily. Sidina ho an’Antsiranana-Sambava, Toamasina-Maroantsetra ary Maroantsetra-Toamasina ny alatsinainy, mielanelana herinandro. Sidina mampitohy an’i Taolagnaro-Toliara ny talata, Sambava-Antsiranana ny sabotsy ary Nosy Be-Mahajanga mandroso sy miverina ny alahady, isan-kerinandro.
Nigadona tao Antsiranana, omaly, ilay sambo lehibe MSC Poesia Italianina, izay mirefy 294 m. Nitondra mpizahatany 2 100 ny sambo, izay heverina fa hampiroborobo ny toekarena ao an-toerana. Malagasy am-polony ihany koa no fantatra fa miasa ao amin’ity sambo lehibe ity izay hamelona tokantrano maro.
Hitohy ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana sy ny vondrona Société Trading de l’oéan Indien (STOI), amin’ny alalan’ny fanapariahana zezika biolojika sy ny famokarana masomboly vary safiotra. Ao anatin’izany koa ny fananganana ozinina mpamokatra zezika, ny fambolena tsaramaso amin’ny faritra maro.
Manodidina any Afrika Atsimo sy mandalo ny Cap de Bonne Espérance hatramin’ny faran’ny taona 2023 ny sambo mpitatitra solika sy gaz vokarin’i Total Energies. Antony ny fanafihana ataon’ireo jiolahin-tsambo, Houthis, ireo sambo mandalo ao amin’ny ranomasina Mena efa ho roa volana noho ny fanohanany ny Palestinianina ao Gaza.