Vita sonia teny Ambohijanaka, afakomaly, ny fifanekem-piaraha-miasa eo amin’ ny Samifin sy ny holafitry ny mpahay kaonty (expert comptable). “Mikirakira kaontin’ny manan-draharaha ao aminy no ataon’ny mpahay kaonty. Koa raha mahita zavatra manaitra azy mety ho famotsiam-bola na famatsiam-bola asa fampihorohoroana izy, mankany amin’ny manan-draharaha aminy manontany izany”, hoy ny tale jenerelin’ny Samifin, Rajaonarison Mamitiana.
Manao ny famotopotorana ny mpahay kaonty. Tokony hamantatra ny mitondra raharaha aminy koa izy. Rehefa misy zavatra hafahafa, maka toky izy. Raha mbola tsy voavaha ny ahiahiny, vao manao fanambarana any amin’ny Samifin ary mitrandraka izany: alefa any amin’ny fitsarana raha mitombina, any amin’ny sampandraharahan’ny hetra raha misy hosoka amin’ny hetra. Haato ny fanenjehana raha tsy mitombina kosa ny ahiahy ary tsy misy tokony hanakorontanana ireo manan-draharaha amin’ny mpahay kaonty.
“Vao mainka hanampy anay hahaleo tena sy tsy misy tahotra manatanteraka ny asanay ny fifanekem-piaraha-miasa toy izao”, hoy ny filohan’ny holafitry ny mpahay kaonty, Ravelomanana Andriamisa.
R. Nd.