Famoizam-po : vehivavy maty nananton-tena

Marary hitsabo tena hita faty nihantona tamin’ny tady tao Ambalamanasy Carreau I, Toamasina, omaly atoandro. Nija­nona irery tao an-trano io vehivavy io vokatry ny aretina an-doha mahazo azy matetika. Mponina avy any Sandrakatsy, Mananara Avaratra izy mianaka ireo. Nentin’ny reniny tao Toamasina izy hitsabo tena. Nigadona tao amin’ny renivohitr’Atsinanana ireto farany ny sabotsy 10 febroary teo. Nisy toerana nalehan’ny reniny tampoka omaly maraina. Tsy nanampo na inona na inona io ramatoa io ka nanantena hitondra an-janany amin’ny mpitsabo izay efa novinavinainy ao an-toerana. Vantana efa nihantona amin’ny tady tao an-trano no nitsena azy. Tsy nisy aina intsony ilay zanany vavy 24 taona. Efa nikiry hamono tena izy tany Sandrakasy fa voasoroky ny fianakaviany izany. Tsiahivina, raim-pianakaviana iray koa namono tena tao Ambalamanasy Carreau II, ny alakamisy 8 febroary teo.

Tsiferana R.

Partager sur: