Loholona Eric Besoa: “Tsy vitan’ny mpitondra irery ny fampandrosoana”

Notokanana ny zoma teo ireo fotodrafitrasa maro voatsangana ao Moramanga. Manoloana izany, nanome hafatra ho an’ny vahoaka ny loholona Besoa Erick mba hikojakojana izany.

“Hafatra omena ny va­hoaka mampiasa ireny fotodrafitrasa lafo vidy ireny dia ny mba hikojakojana miaraka ny fampandrosoana. Tsy vitan’ny mpitondra irery izany, fa hazakazaka lavitra ezaka: mila fahasahiana, fahavonona, fihafiana, fandraisana andraikitra”. Io ny nambaran’ny filoha lefitry ny Antenimierandoholona, misahana ny tapany avaratra, ny loholona Besoa Erick Lambert, tany Moramanga, ny faran’ny herinandro teo, ny amin’ny fitokanana zava-bita tany an-toerana. Voaporofo tamin’ny fitokanana fa tsy diso safidy ny vahoaka malagasy, raha mbola nifidy ny filoha Rajoelina. Misy ho an’ny fampianarana ny fotodrafitrasa, ho an’ny mponina, ho an’ny tantsaha ahazoana manodina ny vokatra hananana fahatsaram-bidy… Inoana fa tena hitondra fivoarana sy fanampiana ny vahoaka ny fotodrafitrasa notokanana.
Hita miharihary fa manana traikefa ny filoha, manana fahaiza-mitarika, ary mahita paikady sy fomba mahomby hatrany entina hanomezana izay mahasoa ny vahoaka. Filoha vonona izy, sahy, afa-mandray andraikitra amin’ny vahoaka. Inoana fa hitohy izany fahombiazan’ny vahoaka izany amin’izao dimy taona manaraka izao. “Ny zava-dehibe amin’izao dia ny fananantsika filohan’ny Repoblika mbola ao anatin’ny tanjany tanteraka, ao anatin’ny fitiavan-tanindrazana miredareda”, hoy izy. Hitondra fahombiazana ho an’ny vahoaka izay. Voaporofo koa fa mbola manamafy ny ezaka tokony hataony amin’ny firenena ny filoha, ary hita fa tena miredareda ao am-pony ny fitiavan-tanindrazana. Izay no manosika azy hitady hatrany izay mahasoa ny vahoaka.

R. Nd.

Partager sur: