Fifampikasohana herinaratra: trano fivarotana dimy kilan’ny afo

Nitrangana haintrano ma­hatsiravina tao amin’ny fokontany Analankinina Hopitaly Be, eo amin’ny “Rond point ” ambody tetezana Tanamakoa, ny zoma 9 febroary, tokony ho tamin’ny 6 ora hariva. “Efa ela izahay no nampandre ny Jirama fa matetika misy manjelanjelatra na mitselatselatra ny tariby mitondra herinaratra amin’ io andrin-jiro io fa tsy tonga mihitsy izy ireo », hoy ny solontenan’ny fokonolona na­natri-maso ny fiantombohan’ny firehetana. Niainga avy eny amin’io andrin-jiro nampanahy azy ireo io ny afo ka nidina nanaraka ny tariby miditra anatin’ireo trano fivarotana tsy lavitra teo. Nirehatra tao anatin’ny segondra vitsy monja ny trano rehetra. « Trano fivarotana miisa dimy karazana nivadika lavenona tao anatin’ny indray mipi-maso », hoy ny lasibatra. Fivarotan-kena, fivarotana fitaovam-panamboaran-trano, sy fivarotam-bary miampy enta-madinika ireo may ireo. Nikiry sy nanao izay ho afany namonjena ireo entana sasantsasany ny tompon-tsena lasibatra saingy tsy nisy avotra noho ny firedaredan’ny afo. Nigadona namono ny afo ny Sampana mpamonjy voina. Nanao ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana ary nanamboatra ilay andrin-jiro nitera-doza ny mpiasan’ny Jirama.

Sajo.

Partager sur: