Tsy ampy ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny fifanarahana amin’ny findramam-bolan’ny fanjakana amin’ny any ivelany. Mavesatra ny pitsompitsony amin’ny fanaovana ny fandaniana sy ny fampanarahan-dalàna ny fanatanterahana azy.
Ambany ny tahan’ny famoaham-bola amin’ny fanampiana ara-bola avy any ivelany, araka ny tatitry ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF). Antony, mavesatra ny fepetra amin’ny dingana arahina sy ny pitsompitsony. Tsy ampy koa ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny fifanarahana amin’ny fampindramam-bola (72%) na ny fifanarahana fanomezana fanampiana ara-bola avy any ivelany.
Voalaza fa anisan’ny olana goavana sady tena mavesatra ny fisian’ny karazana pitsompitsony roa samy hafa. Ny iray, ny fomba fandaniana ny vola (exécution des dépenses) izay takin’ny fifanarahana famatsiam-bola amin’ ny ankapobeny. Faharoa, ny fomba fanaovana ny fampanarahana araka ny lalàna eto amintsika ny vola (régularisation budgétaire) rehefa manatanteraka ny fandaniana ny vola fanampiana avy any ivelany.
Havadika ho sampandraharaha ny tetikasa
Manoloana ireo, anisan’ny vahaolana horaisin’ny fanjakana ny hanafainganana ny famoaham-bola. Havadika ho sampandraharaha (Service opérationnels d’activités) manokana ny tetikasa. Hany andraikitry ny mpandrindra ny tetikasa, izay ho tendrena eny anivon’ny minisitera ny mantanteraka ny fandaniana ny famatsiam-bola avy any ivelany. Izy indray no manendry izay ho mpanampy azy avy eo.
Hapetraka koa ny tahirimbolam-panjakana, hisahana manokana ny vola avy amin’ ny famatsiam-bola avy any ivelany, iarahana amin’ny Banky iraisam-pirenena. Hifanarahana amin’ny mpamatsy vola fa ho iray ihany ny pitsompitsony hampiharina, indrindra amin’ny fanaovana tolobidy amin’ny tsenan’asam-panjakana. Hahena koa ny fe-potoana andalovan’ny antontan-taratasy any amin’ny birao BSE an’ny fiadidiana ny Repoblika. Hafindra manontolo any amin’ireo kaonty manokana (compte de transaction) ny vola efa mivoaka avy any amin’ny Banky foiben’i Madagasikara .
Njaka Andriantefiarinesy