Fanampiana japoney: fitaovana fanaovan- dalana ho an’ny MTP

Ankoatra ny fitokanana ny tetezan’i Mangoro Moramanga vaovao, ny 9 febroary teo, nanolotra fiarabe sy milina fanamboaran-dalana ho an’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) ihany koa ny fanjakana japoney. Nandray ireo fanomezana ny filoha Rajoelina Andry, niaraka tamin’ny minisitry ny Asa vaventy, ny kolonely Andrianatrehina Ndriamihaja Livah, sy ny masoivohon’i Japana, i Abe Koji, ary olo-manan-kaja maro, teo anatrehan’ny mponina any Mangoro.
Mitentina 4,5 tapitrisa dolara ireo fitaovana ireo, tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny fanjakana malagasy sy japoney izay fanampiana tsy averina. Fitaovana avo lenta manaraka ny toetrandro, miisa fito, toy ny «stabilisateur de route», «ca­mion à benne», «camion grabillonneur», «compacteur à pneus», «niveleuse», «rouleau vibrant», «rouleau pneumatique».
Hitondra vokatsoa maro eto amin’ny firenena amin’ny lafiny fikojakojana na fanarenan-dalana hataon’ny minisitera MTP ny fahazoana ireo fiarabe sy milina fanamboaran-dalana ireo.

Njaka A.

Partager sur: