Herisetra amim-behivavy : voasambotra ilay lehilahy namono ny vadiny

Naratra mafy vokatry ny daroka sy vono nataom-badiny ny vehivavy iray tetsy Ankaraobato. Tratran’ny mpitandro filaminana ilay lehilahy nahavanon-doza.

Mirongatra tato ho ato ny fifampikasihan-ta­nana ataon’ny samy mpivady. Lehilahy iray indray no voasambotra tao amin’ny fokontany Ambodivoanjo, kaominina Ankaraobato, afakomaly maraina. Nidaroka sady nandratra ny vadiny, notanan’ny mpitandro filaminana ny raim-pianakaviana iray. Naharay loharanom-baovao marim-pototra ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Tan­jombato fa anamparan’io lehilahy io ny herisetra ny vadiny. Tsy afa-manohitra, araka izany, ilay vehivavy ka maratra mafy vokatry ny daroka nataon-drangahy. Nidina ifotony nanamarina ny zava-nisy ny mpitandro filaminana. Tratra tao amin’ny trano fonenany tokoa io lehilahy mpamono vady io. Mangana sy maratra ny tarehin’ilay ramatoa. Nosamborina noho ny vono nataony am-badiny ity farany. Hatolotra ny fampanoavana aorian’ny fanadihadiana izy.

Efa fanaony…
Araka ny loharanom-baovao, efa fanaon’io lehilahy io ny mampihatra herisetra amin’ilay vadiny rehefa misy tsy fifankahazoana. Tsy nahazaka intsony ilay ramatoa ka izao niafara tamin’ny fisamborana an-drangahy izao. Tsia­hivina, mpivady nonina tao Vangaindrano, niara-maty taorian’ny fifamonoany, ny sabotsy lasa teo. Nifamaly izy roa ireo ka raikitra ny fifampikasihan-tanana. Samy vaky ra sy voa mafy teo amin’ny faritry ny lohany izy mivady ary niafara tamin’ny famoizan’aina izany.

Tsiferana R.

Partager sur: