Nanota fady : olona natelin’ny rano­masina tao Toamasina

Raim-pianakaviana 58 taona no natelin’ny ranomasina tao Toamasina, ny sabotsy teo. Mbola tsy nipoitra avy ao anaty rano ity niharam-boina ity taorian’ny fikarohana nataon’i Lalaina zanadrano, ilay tovolahy mpisitrika manavotra olona natelin’ny ranomasina. Ireo mpaka sary eny amoron-dranomasina no na­hatsikaritra entan’olona mipetraka eo amoron-dranomasina ka samy nifanontany teo. Sakaosy niaraka tamin’ny akanjo ireto hitan’ny mpaka sary ireto kanefa tsy misy olona milomano akory teo amin’ny manodidina. Nosavaina ilay sakaosy nahitana finday niaraka tamin’ny poketra sy badge amin’ny toeram-piasany. Nantsoina izay olona azo antso tao amin’ilay finday ka nilaza ilay olona nantsoina fa nilomano io olona tompon’io finday io. Niezaka namerina hatrany ireo fady i Lalaina zanadrano fa tsy azo atao ny mampandro alika an-dranomasina sy/na olona avy nihinan-kisoa sy osy ary ny olona mamo tsy tokony hilomano. Tsy vitsy koa ireo olona manao maloto an-dranomasina ka antony mahatonga ny ranomasina masika hatrany, araka ny fanazavan’i Lalaina zanadrano. Nolazainy fa mbola velona io raim-pianakaviana io saingy misy mitazona azy ao anaty ranomasina.

Sajo

Partager sur: