Navoitran’ny tale jeneralin’ny Banky iraisam- pirenena, Rtoa Anna Bjerde, fa tratry ny hanoanana ny 60%-n’ny vehivavy sy ny ankizivavy mandritra ity taona 2024 ity. Tsy mifandanja ny fahazoan’ny lahy sy ny vavy eo amin’ny tsenan’ny asa, ka mila arenina.
Naneho hevitra ny tale jeneraly, DG-n’ny asa ao amin’ny Banky iraisam-pirenena (BM), Rtoa Anna Bjerde, fa tena misedra fotoan-tsarotra tsy fahita hatrizay izao tontolo izao ankehitriny. Lasa mateti-piseho ny tranga amin’ny toetr’andro, manimba fotodrafitrasa maro ara-toekarena, na hatrany amin’ny firenena mandroso aza. Manampy trotraka ny tsy fahampian-tsakafo ny fiovan’ny toetr’andro. Tsy ampy sakafo ny 1/3-n’ny mponina maneran-tany, mahatratra 2,4 miliara tamin’ny taona 2022.
Notsipihin’ny DG-n’ny BM, fa vao mainka hiharatsy izany, satria vao mainka hiha-mahantra ny ¼-n’ny mponina any amin’ny firenena andalam-pandrosoana hatramin’ny faran’ny taona 2024 izao, mihoatra lavitra noho ny talohan’ny nisian’ny Covid-19.
Tsy omen-danja ny vehivavy
Tsy manana hery ara-toekarena hanova ny zava-misy anefa ny ankamaroan’ny mpitondra fanjakana, dia ny fanomezana vahana ny vehivavy, izay antsasa-manilan’ny mponina. Vitsy anisa izy ireo any amin’ny fitantanan-draharaha ankapobeny. Lehilahy daholo no mameno ny 75%-n’ny tsenan’asa maneran-tany. Latsaka, noho izany aza, any amin’ny tany arabo (Moyen Orient sy tapany avaratr’i Afrika). «Manimba ny fampandrosoana ara-toekarena izany tsy fifandanjan’ny lahy sy ny vavy izany, sady mampihena ny fahavitrihan’ny olona tokony hiasa», hoy ihany Rtoa Anna Bjerde.
Misy ihany ny firenena sasany nanao ezaka, toy ny aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika. Nampitoviana ny zon’ny lahy sy ny vavy amin’ny fahazoana mindram-bola, ny fepetra hiadiana amin’ny fampiasan-kery amin’ny vehivavy ao an-tokantrano, ny fanamorana ny fahazoana pasipaoro, sns.
Manoloana ireo, mametraka paikady vaovao ny Banky iraisam-pirenena, hanafainganana ny fampitovian-jo ny lahy sy ny vavy, amin’ny hanavaozana ny lalàna, hanafoanana ny fahantrana.
Njaka Andriantefiarinesy