Taninketsa indostrialy-Manjakandriana: napetraka ny milina hanodinana tantely

Tanjona apetraky ny fanjakana ny fampiroboroboana ny indostria eny ifotony hanampiana ny tantsaha sy ny famokarana. Indrindra hampihena ny fanafaran’i Madagasikara entana avy any ivelany. Afaka manodina tantely 100 kg isan’ ora ny taninketsa indostrialy napetraka ao Sambaina Man­jakandriana, ny zoma teo. An­koatra ny tantely voadio sy ara- pahasalamana, hamokatra savoka, labozia manitra, vokatra fikojana tarehy sy menaka fanosotra isan-karazany ny milina. Modely amin’ireo taninketsa indostrialy ity indostria ity noho izy tantanina mpandraharaha efa manana traikefa eo amin’ny seha-pihariana.
Hisitraka tombontsoa mi­vantana amin’ny tetikasa ny tantsaha mpamokatra. “Ireo mpiompy tantely, mpamokatra tantely no hisitraka ilay tetikasa hataontsika”, hoy ny minisitry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), Razafindravahy Edgard, na­noloana ireo tomponandraikitra samihafa sy solontenan’ny kaoperativa ary mpiompy tantely. Hitohy eny anivon’ny kaominina ny fampiroboroboana ny indostria. Efa tonga ary hotsinjaraina ireo milina fanodinam-bokatry ny tantsaha miisa 75. Mbola ho avy koa ireo fitaovana hahafahana mametraka ny taninketsa indostrialy 100 isa izay vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny governemanta indiana.

Henintsoa H.

Partager sur: