MMF : “Ny fihavanana no hahatafavoaka”

Mijoro ankehitriny ny Malagasy miray hina ho an’ny fampandrosoana (MMF), tarihin’ny filohany, Chadly Wander Assany. Nisy ny fihaonana nataon’izy ireo tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina, omaly, ho fanamafisana ny firaisankina eo amin’ireo mpikambana, raha ny fanazavan’ity filoha ity, mahakasika ny hetsika izay ataon’izy ireo ny 3 marsa izao any Toamasina. Ho fanamafisana ny firaisankina sy ny fihavanana malagasy no hosantarina eo satria izay fihavanana sy firaisankina izay ihany no hahatafavoaka an’i Madagasikara ao anatin’izao zava-misy izao. Haneho aloha izahay fa miray hina ny Malagasy ao Toamasina ary ho ambara amin’ny fomba ofisialy amin’io fotoana io fa hiasa manomboka eo ny MMF. Misehatra amin’ny sosialy ny fikambanana. Ankoatra ny fifanampiana eo amin’ny samy mpikambana. Misy ny fanampiana ny mpiara-belona isaky ny 2 volana. Tsy sanatria hanolotra trondro fa hanome fintana, lakana, harato ho an’ny mpikambana ahafahany mivelona. Tsy anavahana foko na finoana na antoko politika izy ity fa afaka miditra mpikambana avokoa rehefa Malagasy. Ahafahany misitraka ireo asa sosialy rehetra eo anivon’ny fikambanana, tsy misy sarany, ny karatra biometrikan’ny mpikambana. Diabe no handeha ny 3 marsa ombana nofon-kena mitam-pihavanana fa ny 4 marsa kosa no hanomboka amin’ny fomba ofisialy ny asan’ny MMF, hoy hatrany ny tomponandraikitra.

Lin

Partager sur: