Lavon’ny balan’ny zandary teny am-pitsoahana tao Bemanonga, omaly, ny ben’ny Tanàna iray ao amin’ny distrikan’ i Belo sur Tsiribihina, sy ny dahalo iray namany. Voalaza fa mpiray tendro amin’ny dahalo sady mpamatsy fitaovam-piadiana izy.
Tratran’ny Jamà, karamain’ny fokonolona miasa ao Tsimafana, tao Ankaraobato, kaominina ambanivohitr’i Tsimafana ny dahalo raindahiny amin’ny fanafihana, ny alatsinainy lasa teo. Mpaka an-keriny ihany koa ity dahalo ity ankoatra ny fanafihana ataony miaraka amin’ireo namany. Nambarany, nandritra ny famotorana nataon’ny zandary, fa ny ben’ ny Tanàna iray ao amin’ny distrikan’i Belo sur Tsiribihina, Faritra Menabe no maniraka sady mamatsy fitaovam-piadiana azy ireo. Nohamafisin’ny tatitra nampitain’ny zandary fa maro ny trangana fanafihana efa vitan’io dahalo io ka ahitana ny dian-tanan’io ben’ny Tanàna voatondro io hatrany. Niroso tamin’ny fisamborana io olom-boafidy nolazain’io dahalo tratra io ny zandary. Nentina nidina tany Tsimafana izy, omaly.
Karohin’ny zandary ny rahalahiny
Nony tonga teo Andranomena, kaominina ambanivohitr’i Bemanonga, anefa, nifanena an-dalana ny Jamà nitondra ilay dahalo handeha hitady ny namany sy ny zandary nitondra ny ben’ny Tanàna. Vantany vao navoaka ny fiara anefa ity olom-boafidy ity dia nirifatra nitsoaka. Toy izany koa ilay dahalo raha vao nahita ilay olona notondroiny ho mpaniraka azy, vaky nandositra. Raikitra teo ny fifanenjehana ka maty voatifitra izy roa lahy ireo. Nohamafisin’ny tatitra nampitain’ny zandary fa mpiray tsikombakomba sy mpiray tendro amin’ireo dahalo mpanao fanafihana io ben’ny Tanàna io. Ny rahalahiny koa dia voalaza fa anisan’ ny dahalo raindahiny ka eo am-pikarohana azy ny zandary amin’izao fotoana izao.
J.C