Teo am-pikasana hanafika mpamongady iray ao amin’ny fokontany Anjomakely, kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy, afakomaly alina, no nifanehatra tamin’ny zandary ny andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika. Nanao ny asa fisafoana toy ny fanaony mahazatra ireo zandary no nahatsikaritra io andian-jiolahy eo am-piomankomanana hanao fanafihana tranombarotra io. Raikitra ny fifanenjehana satria nanapoaka basy ireo jiolahy nandritra ny fifanjevoana tamin’ny zandary. Nifamaliana ny tifitra teo amin’ny zandary sy ireo olon-dratsy. Tsy naharesy tosika ireo zandary anefa ry zalahy ka lavo ny roa. Tafaporitsaka kosa ireo telo lahy hafa niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana. Hita teny amin’ireo jiolahy lavo ny basy PA nampiasain’izy ireo nandritra ny fifampitifirana tamin’ny zandary. Mitohy, araka izany, ny fikarohana ataon’ny zandary ireo telo lahy tafatsoaka. Nanamafy rahateo ny zandary fa tsy maintsy ho tratra izy ireo.
J.C