Ora-nikija tao Toamasina : olona iray namoy ny ainy

Raim-pianakaviana iray no natelin’ny reniranon’Ivoloina efa ho telo andro izay, raha niampita nandeha an-tongotra teo Sahandahatra, distrikan’i Toamasina II, ny sabotsy 10 febroary tolakandro. Mbola tsy hita popoka izy hatramin’ny omaly, raha ny tatitra voaray avy any an-toerana. Ny alatsinainy maraina hatramin’ny omaly kosa, rotsakorana tsy an-kiato no hita tao Toamasina I sy II, hatrany Fenoarivo Atsinanana. Vokatr’izay, samy nandrava ny fampianarana avokoa ireo distrika telo voakasik’izany satria niakatra ny rano. Nitarika fahasimbana fotodrafitrasa maro izany toy ny tao Fenoarivo Atsinanana. Raha ny zava-misy, tapaka ny tetezana ao Ampasimpotsy satria niakatra ny reniranon’i Menankiso. Difotry ny rano ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, tapaka ny lalana satria miakatra ny rano, hatrany an-tokantrano. Nandray ny andraikiny ny mpitandro filaminana nifanome tanana tamin’ny famonjena ireo olona traboina noho ny fiakaran’ny rano. Misy hatrany ny fanentanana ataon’ireo tomponandraikitra amin’ny hialana amin’ireo trano dibo-drano mba hialana amin’ny loza mety hitranga tampoka.

Sajo

Partager sur: