Indostria: niova ho Alpha Ciment S.A ny Cementis Madagascar

Hampihena ny fanafaran’i Madagasikara simenitra ny Alpha Ciment S.A ary hamokatra hatrany amin’ny 1 tapitrisa taonina isan-taona.

Manomboka izao, hitondra ny anarana Alpha Ciment S.A ny Cementis Madagascar. Novidin’ny vondrona maorisianina Gamma Civic LTD, miaraka amin’ny mpiara-miasa aminy, Cemendo Gemiland, avy any Indonezia, ity ozinina mpanao simenitra eto Madagasikara ity.
Vina apetraky ny Alpha Ciment S.A ny hamokatra simenitra hatrany amin’ny 1 000 000 taonina isan-taona ho an’ny filàna eto an-toerana raha toa ka 40% ny tsenan’ny simenitra eto no anjaran’ny Cementis teo aloha niaraka tamin’ny vokatra 400 000 t isan-taona. Hamorona asa ho an’ny tanora ihany koa ny ozinina ary hanondram-bokatra any amin’ireo nosy manodi­dina sy any atsinanan’i Afrika, toa an’i Mozambika, Tanzania, Kenya sns. « Efa 25 taona no nanam-pikasana hampiasa vola eto Madagasikara izahay. Saika hividy ny cariera PK 7 eto Antananarivo saingy tsy tratra. Ankehitriny, eto izahay mbola mino ny soa fanararaotra sy hanangana hoavy ma­miratra ho an’ny firenena mala­gasy”, hoy i Tommy Ah Teck, filohan’ny vondrona Gamma, omaly, tetsy amin’ny Radisson Blu Ambodivona. Notohizany fa hampiasa vola manodidina ny 100 tapitrisa dolara ireto orinasa aziatika lehibe roa ireto.

Famokarana

Niasa nandritra ny 25 taona teo amin’ny tsenan’ny fitao­vana fanorenana fotodrafitrasa tao Maorisy ny Gamma Civic. Tonga teto Madagasikara ny taona 2021, tamin’ny alalan’ny Kolos Madagascar izy ary nivarotra ny simenitra Mafonja. Manana ozinina 8 any In­do­nezia sy iray ao Vietnam kosa i Cemindo Gemilang izay ma­mokatra simenitra 15 tapitrisa taonina sy Clinker 10 tapi­trisa taonina isan-taona. Heverina, noho izany, fa hampihena ny fanafarana simenitra ataon’i Madagasikara, izay manodi­dina ny 800 000 t tamin’ny taon-dasa ny fahatongavan’ ireto mpampiasa vola eto amintsika ireto.

Henintsoa Hani

Partager sur: