Lalan-dratsy : niverina ny fifamoi­voizana amin’ny RN5

Tapaka omaly 13 febroary maraina, ny lalam-pirenena RN5, PK 97+900, mialoha ny hidirana ny tanànan’Antanam­bao Sahorana, distrika Fenoarivo Atsinanana, faritra Analan­jirofo. Nisy lavakabe niforona teo amin’ny lalana, vokatry ny rotsakorana nisesy. Nandray fepetra avy hatrany ny Fitanta­nana manohana ny asa vonjy taitra (DAU) ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) ka nanototra ny lavaka. Vita omaly atoandro ihany ny asa ary niverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana nanomboka tamin’ny 4 ora tolakandro. Nifa­nome tanana nanatanteraka ny asa sy ny fandrindrana ny fifamoivoizana ny tomponandraikitra sivily sy miaramila ary ny mpitandro filaminana any an-toerana.
Tsy hajanona ho tany eo amin’io lalana simba io fa hametrahana tetezam-by vonjimaika. Efa eo am-pikarakarana izany ny sampana DAU ao amin’ny MTP. Entanina ny rehetra sy ny mpampiasa lalana hanaraka izay toromarika sy fandaminana samihafa omen’ny tomponandraikitra any an-toerana ho an’ izay asa manaraka mbola hatao izay.

Njaka A.

Partager sur: