Tsiadana : mpangalatra moto voasambotra

Noraisim-potsiny tamin’ny alalan’ny GPS tao anaty moto nangalariny ny lehilahy eny Ambohidepona Tsiadana, omaly. Norobain’ny olon-dratsy tao amin’ny tompony ny moto scooter iray 4 T, ny marainan’ny alatsinainy 12 febroary teo. Nikoropaka nitady io fananany io ny lasibatra sady nampandre ny mpitandro filaminana. Nanao ny paikady rehetra nikarohana ilay moto ny roa tonta. Nanamora ny fitadiavana izany ny fisian’ny GPS tamin’ilay moto halatra. Notsirihana tamin’ny alalan’ny fitaovana manaraka ny teknolojia ka voamarina ny toerana nisy ilay moto very. Nidina ifotony nanao ny fanamarinana ny polisy ka sarona tao amin’ny lehilahy iray anatin’ny fokontany Tsiadana ihany io kodiaran-droa very io. Nentina natao famotorana ilay mpangalatra ary naverina amin’ny tompony ny moto.

Tsiferana R.

Partager sur: