Atao any Nuremberg, Alemaina, ny 13 hatramin’ny 16 febroary izao, ny hetsika iraisam- pirenena mikasika ny fambolena sy ny sakafo biolojika Biofach. Mandray anjara amin’izany koa i Madagasikara.
Lohahevitra noraisina tamin’ity andiany taona 2024 ity ny hoe : « Sakafo ho an’ny ho avy : fiantraikan’ny rafitra ara-tsakafo maharitra amin’ny vehivavy ». Nasongadin’ny minisitra alemà ho an’ny sakafo sy ny fambolena, Cem Özdemir, nandritra ny kabary fanokafana fa manan-danja ny vehivavy mba hisian’ny rafitra ara-tsakafo maharitra. Ao anatin’izany ny fiarovana ny rohy voahary sy ny fepetra hentitra hiantohana ny hatsaran’ny famokarana.
Mitarika ny delegasiona malagasy, ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Ratohiarijaona R. Suzelin. Miisa 10 ny orinasa malagasy mampiranty ny vokatra biolojikany ao amin’ny Tranoheva Madagasikara, toy ny lavanila, ny ilomenaka, ny hanitra ho an’ny sakafo, ny kakao, ny zavamaniry fanao fanafody, tarihin’ny filohan’ny Sendika malagasy misehatra amin’ny famokarana biolojika (Symabio) sy ireo mpikambana vitsivitsy anaty filankevi-pitantanana. Eo koa ny minisitera Minae, ny EDBM, ny federasiona Antenimeran’ny varotra sy ny indostria (FCCM), ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, toy ny Tetikasa alemà amin’ny fiovan’ny toetr’andro (PrAda/ GIZ), ny amin’ny sehatra tsy miankina (CCPS/GIZ) ary ny PIC Banky iraisam-pirenena.
Tsy mitsaha-mitombo ny tinady
Tanjona ny hanohanana ny sehatry ny famokarana biolojika. Fantarina ny fivoaran’ny fitsipika mifehy, hifanakalozan’ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-barotra. Karohina ny lalam-barotra vaovao eo amin’ny tsena eoropeanina sy ny firenen-kafa. Tsy mitsaha-mitombo ny tinady amin’ny vokatra biolojika, izay mirona any amin’ny vokatra mahatsara ny olombelona ny filan’ny mpanjifa, ankehitriny.
Hisy ny sori-dalana ho volavolaina mamintina ireo fihaonana samihafa nataon’ny minisitra Ratohiarijaona Suzelin tamin’ireo mpiara-miombon’antoka vahiny. Hojerena koa ny fiaraha-miasa hampiroboroboana ny fambolena biolojika aty amin’ny faritra, eo amin’i Madagasikara, Ouganda ary Kenya.
Njaka Andriantefiarinesy