Tsara ny vokatry ny fizahantany nandritra ny taona 2023. Mitentina hatrany amin’ny 534 084 248 euros ny vola vahiny azo tamin’izany. Izany hoe, efa ho avo roa heny ny tamin’ny taon-dasa izay, 351 577 003 euros. Mitotaly 259 850 ihany koa ny mpizahantany tonga teto amintsika nandritra ny taona 2023. Nitombo hatrany amin’ny 97% izany raha oharina ny taona 2022. Ny volana desambra teo, 30 718 ireo teratany vahiny tonga nitsidika ny Nosy malagasy, manodidina ny 25 319 kosa izany ny taona 2019, vanim-potoana azo itarafana ny habetsaky ny teratany vahiny tonga eto Madagasikara.
Ankoatra izay, tsara fiandohana ny sehatry ny fizahantany ho an’ity taona ity. Ny volana janoary teo, miisa 11 250 ireo mpizahantany tonga teto amintsika, araka ny tatitry ny fitantanana ny fampiroboroboana ny fizahantany (DVPT). Mitotaly hatrany amin’ny 259 850 ny mpizahantany nivahiny teto Madagasikara ny taona 2023. Nitombo hatrany amin’ny 97% izany raha oharina ny taona 2022. Ny volana desambra teo, 30 718 ireo teratany vahiny tonga nitsidika ny Nosy malagasy, manodidina ny 25 319 kosa izany ny taona 2019, vanim-potoana azo itarafana ny habetsaky ny teratany vahiny tonga teto Madagasikara.
Araka izany, manakaiky ireo antontan’isa voaangona tamin’ny efa-taona lasa ireto voarakitra tamin’ny taon-dasa ireto.
Henintsoa Hani