Depiote Andriamampandry Todisoa : “Misy kajy politika ny tetiandrom-pifidianana”

“Misy ny kajy politika ata­on’ny fitondrana. Maninona no amin’ny 6 novambra vao ha­tao ny fifidianana ben’ny Tanàna? Nefa efa tapitra tamin’ny janoary teo ny fe-potoam-piasana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote Tim voafidy tao Antananarivo VI, Andriamam­pandry Todisoa, momba ny volavolana tetiandrom-pifidianana. Hita hoe manitsaka lalàna ny fitondrana. Eo koa ny hoe : ho azon’ny maro an’isa ny ben’ny Tanàna, indrindra Antanana­rivo Renivohitra. Dia arirarira ny fifidianana amin’ izao… Na rahoviana ny fifidianana depiote, vonona ho amin’ izany izy hatramin’izay. “Ravao any io Antenimie­ram­pirenena io rehefa tsy misy ilàn’ny fitondrana azy. Efa ta­min’ny herintaona izahay no niteny an’izay. Ataovy haingana ny fifidianana fa efa vonona amin’izany izahay”, hoy izy.
Mahalala izay olona miaro azy ny vahoaka hatramin’izay, ma­halala izay hoe: iza no mitondra ny feony, mba mijery azy hatramin’izay ka hatramin’ izao? Iza koa no mampijaly vahoaka, manao ampihimamba ny firenena, iza no tsy manaja lalàna eto amin’ny firenena?

R. Nd.

Partager sur: