TARATRY ny KANTO

Madagascar Espace – Solo Andrianasolo. « Mahery ny fitia » ny lohahevitry ny seho an-tsehatra hataon’i Solo, anio, manomboka amin’ny 7 ora hariva, eny amin’ny Madagascar Espace Ambohimangakely. Mazava loatra fa manodidina ny fetin’ny mpifankatia hatrany izany, ka hahazo sehatra kokoa ireo hiram-pitiavana. Hitohy amin’ny fanehoana dihy hataon’ireo mpandihin’ny Mada Groupe ny seho.

Feo Gasy – Piment Café Behoririka. Izay eto an-toerana aloha no manohy. Manome fotoana ireo mpankafy azy etsy amin’ny Piment Café Behoririka ry Kolibera, Nini ary Benny, izay mandrafitra ny tarika Feo Gasy. Hanampy an-dry zalahy, mandritra izany, koa i Ony, iray tamin’ireo nifaninana tamin’ny Mahaleo Zandriny.

Trano Bongo – Nini Kiaka. « Valentine’s Night » ihany koa ny anio, eny amin’ny Trano Bongo Tanjom­bato. « Ireo hira tiako hozaraiko aminao », hoy i Nini Kiaka, satria izy no hanafana ny fotoana. Tsy hira Rock ihany no hainy sy hataony, fa mivelatra be amina karazan-kira mitety vanim-potoana.

Tsy raikitra ny seho tokony hataon’i Mirado, any Toamasina. Noho ny toetr’andro izay tena ratsy dia ratsy any an-toerana, voatery nandray fanapahan-kevitra ireo mpikarakara. Hahemotra amin’ny fotoana manaraka ny « cabaret » tokony hatao androany, ao amin’ny Brasserie de la Gare. Tontosa soa aman-tsara kosa ny tao amin’ny le Santilo Anosizato, ny alarobia lasa teo.

Partager sur: