Fanavaozana ny EPP Andohalafy : natomboka omaly ny hady fototra

Tontosa omaly ny hady fototry ny sekoly ambaratonga voalohany (EPP) etsy Andohalafy, kaominina Ankadimanga, distrikan’Atsi­mondrano. Hisitraka izany ireo zaza malagasy miisa 100, mandranto fianarana eny an-toerana. Nahafahana nanao izany ny famatsiam-bola avy amin’ny fikambanana mijery ny zaza sahirana, ABED Mada­gascar. Tsy ampy ny efitra hianaran’ny ankizy eny an-toe­rana, efa simba ihany koa ny fotodrafitrasa amin’ny anka­pobeny, ka anton’ny fanavaozana. Halehibiazina atao efitra telo ireo efitra tranainy ao
amin’ny sekoly. Hatsaraina ihany koa ny fotodrafitrasa rehetra ma­hakasika izany. Toy ny tafo, varavarankely, fitao­vana enti-mampianatra… Hisy ihany koa ny efitra vaovao iray hafa sy ny fitoeran’entan’ny sekoly. Tan­jona ny hanatsa­rana ny sekoly sy hampiaka­rana ny fari-pahaizan’ny mpianatra.
Hanatsara ny fari-pahaizan’ ny mpianatra

Hitondra voka-tsoa maro eo amin’ny mpianatra ny fanavaozana ny sekoly. “Hampi­tombo ny isan’ny mpianatra miditra an-tsekoly sy hanatsara ny fari-pahaizan’ny ankizy izany”, hoy ny talen-tsekoly, Vololonirina Hanitra. Nilaza izy fa hampavitrika ny fampitan’ny mpampianatra ny fahalalana ihany koa izany. Nohamafisiny fa hanara-maso sy hikolokolo ary hanaja ny fotodrafitrasa ny mpianatra sy ny mpampianatra. Mba ho lovan’ny taranaka fara-mandimby.
Mahatratra hatramin’ny 100 000 000 Ar ny lelavola ha­navaozana ity EPP ity. “Maha­ritra eo amin’ny roa volana, ny faharetan’ny asa”, hoy ny filohan’ny fikambanana ABED Madagascar, ny Dr Andriata­hianjanahary Marie Madeleine.

Mino

Partager sur: