VAOVAO TAMBATRA

Voasokajy ao anatin’ny biby arovana ny varika na gidro ka raràn’ny lalàna ny fivarotana, ny fihazana, ny fihinanana azy. Manambara izany ny lalàna iraisam-pirenena tovana 1 navoakan’ny Cites, andininy 29. Manamarina io ny lalàna malagasy izay adika ho toy ny ady heloka ny fakana biby na zavamaniry anaty faritra arovana, ka arahina fampidirana am-ponja.

Miisa 32 ny mpiofana momba ny fiompiana trondro teny amin’ny kaominina Antehiroka, distrika Ambohidratrimo, ny 13 sy 14 febroary teo. Anisan’ny nampianarin’ny fitantanam-paritra DRPEB Analaman­ga azy ireo ny mombamomba ny fiompiana an-dobo, an-tanimbary, ny sakafo ary ny fikarakarana. Vonona hisehatra avy hatrany izy ireo.

Naterina eny amin’ny valanjavaboaharin’i Tsim­bazaza ireo gidro roa namidina tovolahy iray teto amin’ny tambajotran-tsosialy. Harahi-maso ny fahasalaman’ireo biby ireo. Tsiahivina fa tra-tehaky ny tompon’andraikitra misahana ny ady amin’ny kolikoly (DULC ) eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy (MEDD) ny tovolahy, ny talata teo.

Mikasa hanao sidina avy any Dubaï mihazo an’i Madagasikara ny Emirates Airline & Group taorian’ny fihaonan’ny filoham-pirenena sy ny filohan’ny d’Emirates Airline & Group. Tanjona ny hanokatra ny lanitr’i Madagasikara ho an’ny firenena any ivelany hampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany.

Partager sur: