TSELATRA

Raim-pianakaviana iray sy vehivavy iray samy azon’ny tsy fahasalamana namoy ny ainy tao amin’ny Hopitaly Androva, omaly. Andro vitsy lasa, nentin’ny tsara sitrapo teny anivon’ny hopitaly ilay lehilahy nefa izao maty izao. Vehivavy iray koa nindaosin’ny fahafatesana, omaly.

Niverenan’ny jiolahy novakiana indray ny fasana iray tao amin’ny fokontany Ampananina, kaominina Mahitsy, afakomaly. Norobain’ireo olon-dratsy ny toalambalon’ireo raiamandrenibe an’ny tompom-pasana. Nahita hirika namakiana fanintelony an’io fasana io ireo mpandroba.

Partager sur: