Zava-dehibe ny fandrafetana paikady vaovao hiadiana amin’ny kolikoily, araka ny nambaran’ny filohan’ny Kaomity ho amin’ny fitandroana ny fahitsiana (CSI), Rabenarivo Sahondra, tamin’ny fitokanana toeram-piasana eny Andohatapenaka, afakomaly. Tapitra amin’ity taona ity ny folo taona, 2015-2025, tamin’ny paikady farany, ka mila jerena ny zava-bita hiheverana ny fanamby vaovao.
Voafaritra ho 20 tapitrisa Ar ny anto-bola ho firotsahan-kofidina amin’ny fifidianana solombavambahoaka isaky ny fari-pifidianana, araka ny And. 20
amin’ny lalàna fehizoro 2018-010, tamin’ny 11 mey 2018 sy ny tapa-kevitry ny governemanta. Nampahafantarina ny rehetra, omaly, izay fanamarihana izay, raha 10 tapitrisa Ar ny volavolana anto-bola nivoaka tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo.
Ao anatin’ny fanamby 100 andron’ny Foloalindahy, nanolotra farafara vy 79, kidoro 79 isa, latabatra 79, lamba ary kojakoja samihafa avy amin’ny Tafika malagasy ho an’ireo zokiolona mpiady tia tanindrazana tamin’ny Raharaha 29 marsa 1947 ny minisitry ny Foloalindahy, ny jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin, tany Moramanga, omaly. Teo koa ny fijerena ny famitana ny trano fonenana manokana ho azy ireo.