Vita ny tobim-pahasalamana an-tsekoly ao amin’ny lycée Nanisana, Cisco Antananarivo Renivohitra. Ahitana fanafody sy fitaovana ilaina amin’ny fandraisana marary ao an-toerana. Ireo mpianatra sy ireo mpampianatra ao amin’ny lycée no hisitraka izany voalohany. Hahazo tombontsoa amin’izany koa ny mpianatra rehetra mpikambana eo anivon’ny Cisco Antananarivo Renivohitra.
Secteur efatra, ao amin’ny fokontany Angarangarana no hanatanterahana asa fanadiovana tatatra mirefy 820 metatra. Mponina sahirana ara-pivelomana 100 no hanao ny asa. Fanampiana ara-tsakafo avy amin’ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza (BNGRC) no omena ireo mponina miasa. Ahitana vary, tsaramaso ary menaka.
Nanolotra fanampiana fitaovana amin’ny sehatry ny fahasalamana sy ny fahadiovana ary fidiovana ny Unicef. Ahitana fanadiovana rano 7 850 fonosana izay mitsinjara ho 10 fonosana isan-tokantrano sy lay misy fanafody 1 570 izay mitsinjara ho lay roa isan-tokantrano.