MMRS : fambolen-kazo teny Masindray

Nanatontosa ny fambolen-kazony, omaly, ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny rantsa-mangaika ary ny mpiara-miombon’antoka aminy teny Tsiakarana, kaominina Masindray. An’ny minisiteran’ny Tontolo iainana ny tany, saingy natolotra ny Omnis ho hampiasainy. Miisa 5.000 ny zanakazo nambo­lena, nahitana acacia, kininina, filao, tamin’ny velaran-tany 3,5 ha. Nampirisika ny tsi­rairay ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakoto­malala Herindrainy, handray anjara amin’ny fanatrarana ny tanjona handrakofana maitso an’i Madagasika­ra. Nohafa­rany ireo mponina eny an-toerana amin’ny hikojakojana sy hanaraha -maso ireo zanakazo. Anisan’ny nandray anjara teny koa ny mpianatra sampana haibolantany eny amin’ny oniverisite Vonto­vorona.

Njaka A

Partager sur: