Hiara-hiasa ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, ny Fizahantany sy ny asa tanana ary ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga amin’ny fijerena ireo biby lehibe an-dranomasina. Vita sonia teo amin’ireo minisitera telo tonta sady nampahafantarina ny alakamisy teo, teny Ambodivona, ny lalàna mifehy ny fijerena ireo biby lehibe an-dranomasina. Mandrafitra izany didim-panjakana izany ireo andinin-dalàna harahina mandritra ny fijerena ireo biby ireo toy ny trozona, ny “requins baleine”, ny “dauphins” ary ny soka-dranomasina. “Anisan’ny tolotra vaovao omen’ireo mpandraharaha ara-pizahantany hisarihana mpizahatany ho tonga eto Madagasikara ny fijerena ireo biby lehibe an-dranomasina ireo. Tafiditra ao anatin’ny paikady hanatrarana ny mpizahatany 1 tapitrisa amin’ny taona 2028 rahateo izany”, hoy ny minisitry ny Fizahantany, Randriamandranto Joel. Napetraka izany ho fampiroboroboana ny toekarena manga maharitra. Hanaparitaka sy hampahafantatra ny didim-panjakana ny CETAMADA sy ny Madagascar Whale Shark Project. Ireto farany izay manana traikefa sy fahaiza-manao amin’ny fiarovana ireo biby lehibe an-dranomasina.
Henintsoa Hani